Skip Navigation

DVD Ilustrado Multilíngue

The Biology of Prenatal Development


8 - 12 Semanas


NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Baixar Versão em PDF  O Que é PDF?
 

O Período Fetal (8 semanas até o Nascimento)

Capítulo 37   9 Semanas: Engole, Suspira e se Estica

Mitohy hatramin'ny fiterahana ny fotoana foetale.

Eo amin'ny herinandro 9 , manomboka mitsetsitra ankihibe Ary afaka mitelina fluide amniotique ny foetus.

Afaka mamihina zavatra mafy koa izao ny foetus, manetsika ny loha mandroso na miverina, manokatra na manidy valanorano, manetsika ny lela, misento ary mihinjitra.

Ny récepteurs ny nerfs amin'ny tarehy,fela-tanana, Ary ny faladian-tongotra dia afaka mandre rehefa kasihina kely.

"Rehefa kasihina maivana ny faladian-tongotra," hamoritra ny maoja sy lohalika ilay foetus ary mety hamolaka ny rantsa-tongony.

Ny hodi-maso izao dia mihidy tanteraka.

Ao amin'ny larynx, ny fitrangan'ny ligaments vocaux dia mampiseho ny fanombohan'ny cordes vocales.

Eo amin'ny foetus vavy, efa hita ny utérus ary cellules fiterahana tsy matotra, atao hoe ovogonie, dia hita indray ao amin'ny ovaire.

Manomboka miavaka ny appareils génitaux ivelany eo amin'ny lahy sy ny vavy.

Capítulo 38   10 Semanas: Revira os olhos e Boceja, Unhas e Impressões Digitais

Fitomboana lehibe amin'ny herinandro 9 sy 10 Dia mampitombo ny lanjan'ny vatana eo amin'ny 75%.

Amin'ny herinandro 10, rehefa tairina ny hodi-maso ambony dia mikodiadia mihidina ny maso.

Manoaka ny foetus ary matetika manokatra na manidy vava.

Ny ankabiazan'ny foetus dia mitsetsitra ny ankihibe havanana.

Ampahan'ny intestine ao anatin'ny tadim-pôtra dia miverina ao amin'ny cavité abdominale.

Mitohy ny ossification amin'ny ankabiazan'ny taolana.

Manomboka mitombo ny hohon-tongotra sy tanana.

Herinandro 10 aorian'ny fampiraisana no hita ny printy ny rantsan-tanana. Ireo dia afaka ampiasaina hamatarana ilay olombelona mandritry ny fiainany manontolo.

Capítulo 39   11 Semanas: Absorve Glicose e Água

Amin'ny herinandro faha-11 ny orona sy ny molotra dia voaforona tanteraka. Ohatran'ny ampahany hafa amin'ny vatana dia hiova araky ny fiainan'ilay olombelona ny hendriny.

Manomboka mitelina glucose sy rano ny intestin ary hatelin'ny foetus koa.

Na dia ny fampiraisana aza no manoro ny ho maha-lahy sy vavy amin'ny fertilization, Ny appareils génitaux ivelany izao dia efa hita na lahy na vavy.
8 - 12 Semanas