Skip Navigation

DVD Ilustrado Multilíngue

The Biology of Prenatal Development


6 Meses - Nascimento


NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Baixar Versão em PDF  O Que é PDF?
 

Capítulo 43   5 a 6 Meses (20 a 24 Semanas): Responde ao Som; Cabelo e Pele; Idade de Viabilidade

Amin'ny herinandro 24 dia mivoha indray ny hodi-maso ary mipihi-maso sy taitaitra ilay foetus. Io fihetsika io, izay manaraka tabataba tampoka dia hita aloha kokoa eo amin'ny foetus vavy.

Araky ny fitadiavan'ny olona mamotopototra dia ny fanatrehina tabataba mafy loatra dia mety manimba ny fahasalaman'ny foetus. Manaraka izany dia mety mitempo bebe kokoa ny fo, mitelina be loatra ny foetus, ary miova tampoka ny fihetsika. Ny zavatra afaka mitranga afaka fotoana elaela dia fahaverezan'ny fandrenesana.

Ny hafainganan'ny hiainan'ny foetus dia afaka tonga hatramin'ny cycles -na inhalation-exhalation 44 isaky ny 1 minitra.

Mandritry ny trimestre faha-3ny maha-bevohoka Ny fitomboan'ny atidoha aingana dia maka ny hery mihoatra ny 50% eo amin'izay ampiasain'ny foetus. Ny halehiben'ny atidoha dia mitombo eo amin'ny 400 sy 500% eo ho eo.

Amin'ny herinandro 26 dia miteraka ranomaso ny maso.

Vao herinandro 27 dia efa mamaly amin'ny mazava ny anakandria-maso. Io fihetsika io dia manamboatra ny haben'ny hazavana izay mahatratra ny rétine mandritry ny fiainana manontolo.

Ny zavatra ilaina rehetra andehanan'ny fofona ara-dalàna dia efa mipetraka. Fandinihana zazakely tsy tonga volona dia mampiseho ny fahazoana mandray fofona ao herinandro 26 aorian'ny fampiraisana.

Raha zavatra mamy no apetraka ao amin'ny fluide amniotique dia mampitombo ny habetsakin'ny fiteloman'ny foetus. Fa kosa, mihidina ny habetsakin'ny fiteloman'ny foetus raha hasiana zavatra mangidy. Miova ny endriky ny tarehy aorian'izany.

Mihetsiketsika ny tongotra ohatran'ny mandeha, ary mivadibadika ny foetus.

Ohatran'ny tsy dia miketrona no fahitana ilay foetus satria miampy ny tavy mipetraka ao ambanin'ny hoditra. Ny tavy dia manana anjara lehibe amin'ny fandehanan'ny température'ny vatana ary mitahiry hery aorian'ny fiterahana.

Capítulo 44   7 a 8 Meses (28 a 32 Semanas): Discriminação de Sons, Estados Comportamentais

Amin'ny herinandro faha- 28 dia afaka manavaka feo avo sy iva ny foetus.

Amin'ny herinandro faha-30 dia matetika kokoa ny fihetsikin'ny aina ary dia hita 30 hatramin'ny 40%-ny fotoana eo amin'ny foetus antonontonona habehy.

Mandritry ny volana 4 farany ny maha-bevohoka dia mampiseho fotoana fihetsehina mitohy ny foetus ary manaraka izany ny fotoana fialàna sasatra. Ireo fihetsika ireo dia mampiseho ny fahasarotan'ny système nerveux central.

Capítulo 45   Os Membros e a Pele

Amin'ny herinandro faha-32 eo ho eo dia misy alvéoles na cellules d'air, manomboka miforona ao amin'ny avokavoka. Ny fitomboan'ireo dia mitohy hatramin'ny 8 taona aorian'ny fiterahana.

Amin'ny herinandro 35 dia afaka mamihina mafy ny foetus.

Ny fahitan'ny foetus zavatra samihafa no mahatonga azy mifidy tsiro samihafa rehefa teraka. Ohatra, raha nihinana anis ny renin'ireo foetus ireo, ny anis dia manome ny tsiron'ny réglisse, dia hita fa mifidy ny tsiron'ny anis ilay zazakely rehefa teraka. Ny zazakely vao teraka izay tsy nanandrana anis tao an-kibo dia tsy tia ilay tsirony.

Capítulo 46   9 Meses até o Nascimento (36 Semanas até o Nascimento)

Ny foetus dia manatanteraka ny fihetsi-jaza rehefa mamoaka hormone maro atao hoe oestrogène izy ary manomboka ny fandalovana amin'ny toetra-ny foetus ho lasa zazavao.

Ny fihetsi-jaza dia miseho rehefa mifintina mafy dia mafy ny utérus, ary vokatr'izany ny fiterahana.

Manomboka amin'ny fampiraisana hatramin'ny fiterahana ary aorian'izany dia aingana, mitohy, ary sarotra ny fivoaran'ny olombelona. Ny zavatra tsy fantatra taloha momban'io fiovana mahagaga io dia mbola mampiseho fa ny fitomboan'ny foetus dia manana anjara lehibe amin'ny fahasalamana mandritry ny fiainana iray manontolo.

Ny fandrosoan'ny fahazoantsika momba ny fitomboan'ny olombelona am-potony no hitondra antsika hanatsara ny fahasalamana - aloha sy aorian'ny fiterahana.
6 Meses - Nascimento