Skip Navigation

DVD Ilustrado Multilíngue

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Baixar Versão em PDF  O Que é PDF?
 

Capítulo 1   Introdução

Ny fiovan'ny "zygote"n-olombelona manomboka amin'ny cellule tokana ho lasa olona matotra mitondra cellules mihaotra ny 100-arivo tapitrisa dia angamba azo lazaina fa ny zavatra tena mahagaga indrindra manerana izao rehetra izao.

Ny Mpitady izao dia mahalala fa ny ankabiazan'ny asa mahazatra izay ataon'ny vatan'ny olombelona matotra dia voaorina mandritry ny fotoana maha-bevohoka ny reny ary matetika fotoana ela alohan'ny fiterahana.

Ny fotoana fivoarana alohan'ny fiterahana dia azo lazaina hoe fotoana fiomanana mandritrin'io ilay zaza mitombo ao an-kibo no mahazo ny fomba maro, ary manandrana ny fahaizana maro izay ilaina Hiainana rehefa teraka.

Capítulo 2   Terminologia

38 herinandro eo ho eo ny fotoana maha-bevohaka ny olombelona raha raisina manomboka amin'ny fotoana nifampiraisana, Ka hatramin'ny fiterahana.

Mandritry ny herinandro 8 voalohany manaraka ny fifampiraisana dia atao hoe embryon ilay olombelona mitombo, izay midika hoe "mitombo ao-anaty". Amin'io fotoana io, izay atao hoe période embryonnaire, no maka endrika indrindra ny ankabiazan'ny fomba fiasan'ny vatana.

Aorian'ny herinandro faha-8 ka hatramin'ny faran'ny fotoana maha-bevohoka "dia atao hoe fétus ilay zaza mitombo," izay midika hoe "zanaka tsy mbola teraka." Mandritry io fotoana io, atao hoe période foetale, Miha-lehibe ny vatana ary manomboka miasa ny fomba samihafa.

Ireo fotoana embryonnique sy foetale rehetra izay voalaza amin'ity fandaharana ity dia manomboka amin'ny fotoana fifandraisana.