Skip Navigation

DVD Ilustrado Multilíngue

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Baixar Versão em PDF  O Que é PDF?
 

Desenvolvimento Embrionário: 4 a 6 Semanas

Capítulo 11   4 Semanas: Líquido Amniótico

Amin'ny herinandro faha-4 amnios mazava loko no manodidina ny embryon ao anaty sac feno rano. Io rano sterile io, Izay atao hoe fluide amniotique, no miaro ny embryon amin'ny ratra.

Capítulo 12   O Coração em Ação

Matetika ny fo dia mitempo in-113 eo ho eo ao anaty minitra 1.

Jereo kely fa miova loko ny fo rehefa miditra sy mivoaka ny efitra ny rà isaky ny mitempo ny fo.

Alohan'ny fiterahana dia hitempo in-54 tapitrisa eo ho eo ny fo ary mihoatra ny in-3.2 arivo tapitrisa mandritry ny fiainan'olombelona izay mahatratra 80 taona.

Capítulo 13   O Crescimento do Cérebro

Hita fa mitombo aingana ny atidoha satria miova endrika ny prosencéphale, ny mésencéphale, ary ny hindbrain.

Capítulo 14   Brotos dos Membros

Manomboka mitombo ny tongotra sy ny tanana ary manomboka miseho ny tsimony amin'ny herinandro faha-4.

Hatramin'izao dia tantera-pahazavana ny hoditra satria ny hateviny dia cellule iray monja.

Rehefa miha-matevina ny hoditra, dia ho very ilay lokony tanteram-pahazavana, izany dia midika fa ny fotoana ahitantsika ny organes internes miforona dia iray volana monja sisa.

Capítulo 15   5 Semanas: Hemisférios Cerebrais

Anelanelany herinandro 4 sy 5 dia mitohy aingana ny fitombon'ny ary mizara ho ampahany 5 samihafa.

Ny loha dia mahafaoka 1/3-n'ny alehibe manontolo ny embryon .

Mipoitra ny hémisphère cérébral, izay ho lasa tsikelikely ny ampahany lehibe indrindra amin'ny atidoha.

Ao anatin'ny asa izay fehezin'ny hémisphère cérébral ny fisainana, ny fianarana, ny fitadidiana, ny fitenenana, ny fahitana, ny fandrenesana, ny fihetsehana atao an-tsitrapo ary ny fanalàna olana.

Capítulo 16   Vias Respiratórias Principais

Ao amin'ny système respiratoire, ny tahona bronches ankavanana sy ankavia dia efa miseho ary tsy ho ela dia hampifandray ny trachée, sy ny avokavoka.

Capítulo 17   Fígado e Rins

Jereo ilay aty mafy sy mavesatra izay mameno ny kibo mifanakaiky amin'ny fo izay mitempo.

Ny reins maharitra dia manomboka miforona amin'ny herinandro faha-5.

Capítulo 18   Saco Vitelino e Células Germinativas

Ny chorion dia mitana ny cellules reproductives voalohany izay atao hoe cellules germes. Amin'ny herinandro faha-5 ireo cellules germes dia mifindra toerana ka mankany amin'ireo organes reproductifs izay mifanakaiky amin'ny reins.

Capítulo 19   Placas da Mão e Cartilagem

Amin'ny herinandro 5 koa, no miforona ny plaque-n'ny tanana, ary manomboka amin'ny herinandro 5 1/2 ny fiforonan'ny cartilage

Eto dia hitantsika ny plaque-n'ny tanana ankavia ary ny hato-tanana amin'ny herinandro 5 sy 6 andro.