Skip Navigation

DVD Ilustrado Multilíngue

The Biology of Prenatal Development




NY FIVOARAN'NY ZAZA ANY AMBOAKA

.Malagasy


 

Baixar Versão em PDF  O Que é PDF?
 

Um Embrião de 8 Semanas

Capítulo 30   8 Semanas: Desenvolvimento do Cérebro

Amin'ny herinandro faha-8 efa mitombo fatratra Ny atidoha ary dia mikaoty ho atsasakin'ny lanja totalin'ny embryon eo ho eo ny lanjany.

Ny fitomboana dia mitohy aingana dia aingana.

Capítulo 31   Característica de Destro e Canhoto

Eo amin'ny herinandro 8 , amin'ny 75%-ny embryons rehetra dia hita fa ny ankavanana no manjaka. Ny sisa dia mizara mitovy na kavia na tsy mifidy. Io ny ahitana voalohany ny fihetsika avy eo amin'ny ankavia na ankavanana.

Capítulo 32   Virar

Ny boky pédiatrique dia miresaka momba ny fahaizana " mivadibadika " mitranga amin'ny herinandro 10 ka hatramin'ny 20 aorian'ny fiterahana. anefa io fahaizana mahagaga io dia efa miseho mialoha eo amin'ny tontolon'ny gravité avy eo amin'ny sac amniotique. Ilay hery ilaina tsy ampy ahazoana miady ilay hery manosika eo ivelan'ny utérus no mapahatonga ireo zaza vao teraka tsy hivadibadika.

Manomboka mihetsika betsaka ilay embryon amin'io fotoana io.

Mety miadana na haingana ny fihetsika, indray mandeha monja na miverimberina, tonga ho azy na vokatry ny reflex.

Ny fiodin'ny loha, ny fihetsikin'ny tenda, ary ny fihetsikin'ny tanana eny amin'ny tarehy dia miha-hita matetika.

Raha mikasika ilay embryon dia afaka mitondra azy hi-loucher, mampihetsika ny valanorano, fihetsika toy ny mamihina, ary manondro ny rantsa-tongotra.

Capítulo 33   Fusão da Pálpebra

Eo anelanelan'y herinandro 7 sy 8 , ny hodi-maso ambony sy ambany dia mitombo aingana eo amin'ny maso ary manomboka mitambatra tsikelikely.

Capítulo 34   Movimento de Respiração e Micção

Na dia tsy misy rivotra aza amin'ny utérus, dia hita hoe miaina ilay foetus amin'ny herinandro 8.

Amin'io fotoana io ny reins dia efa manome urine izay mivoaka any amin'ny fluide amniotique.

Eo amin'ny embryon lahy, ny testicules izay mitombo dia manomboka manome sy mamoaka testosterone.

Capítulo 35   8 a 9 Meses (32 a 36 Semanas): Formação dos Alvéolos, Segurar com Força, Preferências de Gosto

Ny taolana, ny hozatra, ny ozatra, ary ny lalan-dra eo amin'ny tongotra na tanana dia miha-mitovy ny an'ny olona matotra.

Amin'ny herinandro 8 ny epiderme, na oditra ivelany , dia lasa membrane misy sosona maro, ary very ny ankebiazin'ny tsy fahitan-dokony.

Mitombo ny volomaso ary manomboka maniry ny volo manodidina ny vava.

Capítulo 36   Resumo das Primeiras 8 Semanas

Ny herinandro faha-valo dia mamarana ny fotoana embryonnique.

Nandritry io fotoana io ilay embryon dia nitombo avy amin'ny cellule singany iray koa lasa tsy latsaky ny cellules arivo tapitrisa izay manome mihoatra ny 4,000 structures anatomiques miavaka.

Ilay embryon izao dia manana mihoatra ny 90%-ny structures hita eo amin'ny olona matotra.