| |
Capítulo 1 Introdução
|
| |
| Ny fiovan'ny "zygote"n-olombelona
manomboka amin'ny cellule tokana
ho lasa olona matotra mitondra cellules mihaotra
ny 100-arivo tapitrisa dia angamba azo lazaina fa
ny zavatra tena mahagaga indrindra
manerana izao rehetra izao.
|
| Ny Mpitady izao dia mahalala fa
ny ankabiazan'ny asa mahazatra
izay ataon'ny vatan'ny olombelona matotra
dia voaorina mandritry ny fotoana
maha-bevohoka ny reny
ary matetika fotoana ela alohan'ny
fiterahana.
|
| Ny fotoana fivoarana alohan'ny fiterahana
dia azo lazaina hoe fotoana fiomanana
mandritrin'io ilay zaza mitombo
ao an-kibo
no mahazo ny fomba maro,
ary manandrana ny fahaizana maro izay ilaina
Hiainana rehefa teraka.
|
Capítulo 2 Terminologia
|
| 38 herinandro eo ho eo ny fotoana maha-bevohaka
ny olombelona
raha raisina manomboka amin'ny fotoana
nifampiraisana,
Ka hatramin'ny fiterahana.
|
| Mandritry ny herinandro 8 voalohany
manaraka ny fifampiraisana
dia atao hoe embryon ilay olombelona mitombo,
izay midika hoe "mitombo ao-anaty".
Amin'io fotoana io, izay atao hoe
période embryonnaire,
no maka endrika indrindra
ny ankabiazan'ny fomba fiasan'ny vatana.
|
| Aorian'ny herinandro faha-8 ka
hatramin'ny faran'ny fotoana maha-bevohoka
"dia atao hoe fétus ilay zaza mitombo,"
izay midika hoe "zanaka tsy mbola teraka."
Mandritry io fotoana io,
atao hoe période foetale,
Miha-lehibe ny vatana ary manomboka miasa
ny fomba samihafa.
|
| Ireo fotoana embryonnique sy foetale rehetra
izay voalaza amin'ity fandaharana ity
dia manomboka amin'ny fotoana fifandraisana.
|