| |
Capítulo 41 4 a 5 Meses (16 a 20 Semanas): Resposta ao Estresse, Verniz Caseoso, Ritmos Circadianos
|
| |
| Amin'ny herinandro faha-16, ny fomba izay
mitarika fampidirana
fanjaitra ao amin'ny kibon'ny foetus
dia mitondra
valina stress hormonal
ary mamoaka noradrenaline,
na norepinephrine,
ao anaty fikorian'drà.
Ny zaza vao teraka sy ny olona matotra
dia samy mitovy fihetsika
rehefa eo anatrehan'ny procedures vahiny.
|
| Ao amin'ny système respiratoire
dia efa ho tanteraka izao ny
hazo bronchiale.
|
| Zavatra fotsy miaro
atao hoe vernix caseosa,
izao no manodidina ny foetus.
Ny vernix dia miaro ny hoditra
amin'ny zavatra manelingelina
avy amin'ny fluide amniotique.
|
| Manomboka ny herinandro faha-19, ny fihetsiky ny
foetus, ny fomba fiainana,
ary ny fitempon'ny fo dia manaraka
Cycles izay miseho isan'andro
atao hoe rythmes circadians.
|
Capítulo 42 6 a 7 Meses (24 a 28 Semanas): Reflexo Cócleo-Palpebral e de Sobressalto; Pupilas Respondem à Luz; Olfato e Paladar
|
| |
| Afaka herinandro 20 ny cochlea,
ilay organe fandrenesana
dia efa nahatratra ny halehibeny
ao amin'ny sofina intérieure
izay efa miforona tanteraka.
Manomboka izao dia
hamaly feo samy hafa bebe kokoa
ilay foetus.
|
| Ny volo dia manomboka maniry eo amin'ny loha.
Efa nitranga sy vonona daholo ny sosona amin'ny hoditra,
ao anatin'izany ny follicules sy glandes-n'ny volo.
|
| Amin'ny herinandro 21 ka hatramin'ny 22
aorian'ny fampiraisana,
efa afaka miaina rivotra ny avokavoka.
Io fotoana io dia efa azo ho lazaina
fa viable ilay foetus
satria raha teraka dia afaka miaina
ivelan'ny kibo
ny foetus sasany.
Fitadiavana maro
teo amin'ny kianjan'ny fitsaboana
dia nahatonga ho tanteraka ny hitànana ny
fiainan'ny
zazakely teraka alohan'ny fotoana.
|