| |
Capítulo 43 5 a 6 Meses (20 a 24 Semanas): Responde ao Som; Cabelo e Pele; Idade de Viabilidade
|
| |
| Amin'ny herinandro 24 dia mivoha indray ny
hodi-maso
ary mipihi-maso sy taitaitra ilay foetus.
Io fihetsika io, izay manaraka tabataba tampoka
dia hita aloha kokoa eo amin'ny foetus
vavy.
|
| Araky ny fitadiavan'ny olona mamotopototra
dia ny fanatrehina tabataba mafy loatra
dia mety manimba ny fahasalaman'ny foetus.
Manaraka izany dia mety
mitempo bebe kokoa ny fo,
mitelina be loatra ny foetus,
ary miova tampoka ny fihetsika.
Ny zavatra afaka mitranga afaka fotoana elaela
dia fahaverezan'ny fandrenesana.
|
| Ny hafainganan'ny hiainan'ny foetus dia afaka
tonga hatramin'ny
cycles -na inhalation-exhalation 44 isaky
ny 1 minitra.
|
| Mandritry ny trimestre faha-3ny maha-bevohoka
Ny fitomboan'ny atidoha aingana dia maka
ny hery mihoatra ny 50%
eo amin'izay ampiasain'ny foetus.
Ny halehiben'ny atidoha dia mitombo
eo amin'ny 400 sy 500% eo ho eo.
|
| Amin'ny herinandro 26 dia miteraka ranomaso
ny maso.
Vao herinandro 27 dia efa mamaly amin'ny mazava
ny anakandria-maso.
Io fihetsika io dia manamboatra ny
haben'ny hazavana
izay mahatratra ny rétine mandritry
ny fiainana manontolo.
|
| Ny zavatra ilaina rehetra
andehanan'ny fofona ara-dalàna dia
efa mipetraka.
Fandinihana zazakely tsy tonga volona
dia mampiseho ny fahazoana mandray fofona
ao herinandro 26 aorian'ny fampiraisana.
Raha zavatra mamy no apetraka ao
amin'ny fluide amniotique
dia mampitombo ny habetsakin'ny
fiteloman'ny foetus.
Fa kosa, mihidina ny habetsakin'ny
fiteloman'ny foetus
raha hasiana zavatra mangidy.
Miova ny endriky ny tarehy aorian'izany.
|
| Mihetsiketsika ny tongotra
ohatran'ny mandeha, ary mivadibadika ny foetus.
|
| Ohatran'ny tsy dia miketrona no fahitana
ilay foetus
satria miampy ny tavy mipetraka ao
ambanin'ny hoditra.
Ny tavy dia manana anjara lehibe amin'ny
fandehanan'ny température'ny vatana
ary mitahiry hery aorian'ny fiterahana.
|
Capítulo 44 7 a 8 Meses (28 a 32 Semanas): Discriminação de Sons, Estados Comportamentais
|
| |
| Amin'ny herinandro faha- 28 dia afaka
manavaka
feo avo sy iva ny foetus.
|
| Amin'ny herinandro faha-30 dia matetika kokoa ny
fihetsikin'ny aina
ary dia hita 30 hatramin'ny 40%-ny fotoana
eo amin'ny foetus antonontonona habehy.
|
| Mandritry ny volana 4 farany ny maha-bevohoka
dia mampiseho fotoana fihetsehina mitohy
ny foetus
ary manaraka izany ny fotoana
fialàna sasatra.
Ireo fihetsika ireo
dia mampiseho ny fahasarotan'ny
système nerveux central.
|
Capítulo 45 Os Membros e a Pele
|
| |
| Amin'ny herinandro faha-32 eo ho eo
dia misy alvéoles
na cellules d'air,
manomboka miforona ao amin'ny avokavoka.
Ny fitomboan'ireo dia mitohy hatramin'ny
8 taona aorian'ny fiterahana.
|
| Amin'ny herinandro 35 dia afaka mamihina mafy
ny foetus.
|
| Ny fahitan'ny foetus zavatra samihafa
no mahatonga azy mifidy tsiro samihafa
rehefa teraka.
Ohatra, raha nihinana anis ny renin'ireo foetus
ireo,
ny anis dia manome ny tsiron'ny réglisse,
dia hita fa mifidy ny tsiron'ny anis ilay
zazakely rehefa teraka.
Ny zazakely vao teraka izay tsy nanandrana
anis tao an-kibo dia tsy tia ilay tsirony.
|
Capítulo 46 9 Meses até o Nascimento (36 Semanas até o Nascimento)
|
| |
| Ny foetus dia manatanteraka ny fihetsi-jaza
rehefa mamoaka hormone maro
atao hoe oestrogène izy
ary manomboka ny fandalovana amin'ny toetra-ny foetus
ho lasa zazavao.
Ny fihetsi-jaza dia miseho rehefa mifintina mafy
dia mafy ny utérus,
ary vokatr'izany ny fiterahana.
|
| Manomboka amin'ny fampiraisana hatramin'ny
fiterahana ary aorian'izany
dia aingana, mitohy, ary sarotra ny
fivoaran'ny olombelona.
Ny zavatra tsy fantatra taloha momban'io
fiovana mahagaga io
dia mbola mampiseho fa ny fitomboan'ny foetus
dia manana anjara lehibe amin'ny fahasalamana
mandritry ny fiainana iray manontolo.
Ny fandrosoan'ny fahazoantsika momba
ny fitomboan'ny olombelona am-potony
no hitondra antsika hanatsara ny
fahasalamana -
aloha sy aorian'ny fiterahana.
|