| |
O Período Embrionário (As Primeiras 8 Semanas)
Desenvolvimento Embrionário: As Primeiras 4 Semanas
Capítulo 3 Fertilização
|
| |
| Amin'ny lafiny biolojika,
"dia amin'ny fotoana fifandraisana no manomboka ny fitomboan'ny zaza,"
rehefa miray ny lahy sy ny vavy
ka samy manome chromosomes 23 izy ireo
avy amin'ny fikambanan'ny cellule fifandraisany
avy.
Ny cellule fifandraisan'ny vehivavy
dia atao hoe "oeuf"
fa ny tena filazana azy dia ovocyte.
Arak'izany, ny cellule fifandraisan'ny
lehilahy
dia matetika fantatra hoe "sperme"
fa ny filazana azy marina dia
spermatozoïde.
Rehefa mivoaka avy amin'ny ovaire-ny vavy
ny ovocyte
io fotoana io dia atao hoe ovulation,
dia miray ny ovocyte sy ny
spermatozoïde
ao anatin'iray amin'ireo trompes-ny utérus,
izay antsoina matetika hoe "trompes
De Fallope".
Ny trompes utérine dia mampitohy ny
ovaire-ny vehivavy
amin'ny uterus-ny.
Ilay embryon izay vokatra ho
cellule tokona dia atao hoe zygote,
midika hoe "nampiarahana na
nampifandraisana."
|
Capítulo 4 DNA, divisão celular e Fator Inicial da Gravidez (EPF)
|
| |
| Ny chromosome 46-ny zygote
dia manome ny boky voalohany tokana
vita printy tanteraka ho an'ilay
olombelona vaovao.
Io fandaharana lehibe io dia mitoetra
ao anatin'ny molecules izay miorina sy
mifintina mafy atao hoe DNA.
Ireo no mitondra ny fampianarana ho an'ny
fitomboan'ny
vatana manontolo.
Ny molecules DNA dia ohatran-ny
tohatra miolana
atao hoe double helix.
Ireo ambaratonga amin'ny tohatra
dia molecules mitambatra tsiroaroa,
na fototra, atao hoe guanine,
cytosine, adenine, ary thymine.
|
| Ny guanine dia tsy mitambatra
afa-tsy amin'ny cytosine,
ary ny adenine amin'ny thymine.
Ny cellule-n'olombelona tsirairay dia
mitondra 3 arivo-tapitrisa
an'ireo fototra tsiroaroa ireo, eo ho eo.
Ny DNA amin'ny cellule tokana
dia mitondra fanambarana be dia be indrindra
koa raha ho raisina an-tsoratra,
ny litera voalohany amin'ny fototra
tsirairay
dia mila takila mihoatra ny 1.5 tapitrisa!
Raha toa ka ampifanarahana
ny DNA amin'ny cellule-n'olombelona tokana
dia mirefy 100 cm
na 1 metatra.
|
| Raha toa ka afaka sokafana ny DNA rehetra
Ao anaty ny cellules 100 arivo tapitrisa
-na olombelona matotra,
dia mety mihitatra mihoatra ny
63 arivo-tapitrisa maily.
Io halavirana io dia mahatratra avy eo amin'ny
tany ka hatramin'ny masoandro ary miverina
in-340.
|
| 24 ka hatramin'ny 30 ora eo ho eo
aorian'ny fampiraisana,
dia vita ny fizarana ny cellule voalohany
ataon'ny zygote.
Araka ny mitose dia
mizara roa ny cellule iray, mizara efatra
ny cellule roa, sns.
|
| Vao 24 hatramin'ny 48 ora aorian'ny fampiraisana,
dia afaka hamarinina ny maha-bevohoka
raha vao hita ilay hormone
atao hoe "facteur de début de grossesse"
ao amin'ny rà-n'ilay reny.
|
Capítulo 5 Estágios Iniciais (Mórula e Blastocisto) e Células Tronco
|
| |
| Amin'ny andro faha-3 na 4
aorian'ny fampiraisana,
dia maka endrika boribory ilay cellules-ny
embryon izay mizara
ary antsoina hoe morula ilay embryon.
Amin'ny andro faha-4 na 5 dia lasa misy lavaka
ao anatin'ilay cellule boribory
dia atao hoe blastocyst ny anaran'
ilay embryon.
Ny cellules ao anaty ny blastocyst
dia antsoina hoe masse de cellule intérieure
ary hanome ny loha, vatana, ary ny
endrika hafa
izay iankina'ny ain'ilay olombelona
izay vao mitombo.
Ny cellule ao anatin'ny masse de cellule intérieure
dia atao hoe cellule de tige embryonnaire
satria izy ireo dia afaka
manome tsirairay amin'ireo mihoatra ny
karazana cellules 200
izay misy ao amin'ny vatan'ny olombelona.
|
Capítulo 6 1 a 1½ Semanas: Implantação e Gonadotrofina Coriônica Humana (hCG)
|
| Rehefa avy mitety ny trompes utérine,
dia mitoetra
ao anatin'ny rindrin'ny utérus-ny reny
ilay embryon.
Io fandaminana io, izay atao hoe
implantation, dia manomboka 6 andro
ary miafara 10 na 12 andro aorian'ny
fampiraisana.
Ny cellules avy eo amin'ilay embryon izay mitombo
dia manomboka manome hormone
atao hoe hormone gonadotrophine chorionique,
na HCG,
ilay zavatra hitan'ny ankabiazan'ny
tests de maternité.
Ny HCG dia mitondra ny hormones-ny reny
hijanonan'ny ny cycle menstrual,
ary hitohizan'ny grossesse.
|
Capítulo 7 A Placenta e o Cordão Umbilical
|
| Aorian'ny implantation,
ny cellules manodidina ny blastocyst
dia manome endrika atao hoe placenta,
izay manelanelana ny fikorian'ny rà eo
amin'ny vatan'ny reny
sy ny an'ilay embryon.
Ny placenta dia manome oxygène avy amin'ny reny,
sy sakafo,
ary hormones, sy fanafody ho an'ilay
olombelona vao mitombo;
Manila ny maloto rehetra;
ary manakana ny rà-n'ny reny hikambana amin'ny rà-n'
ny embryon sy foetus.
Ny placenta dia manome hormones koa
ary manao izay hijanona'ny températuren'ny
vatan'ny embryon na foetus
avoavo kely kokoa noho ny an'ny
reny.
Ny placenta dia mifandray amin'ilay
zaza mitombo
amin'ny alalan'ny lalan-drà
eo amin'ny tadim-potra.
Ny fahazoan'ny placenta mitana ny aina
dia azo oharina amin'ireo
unités de soins intensifs hita eny amin'ny hopitaly
araka ny toetra'andro ankehitriny.
|
Capítulo 8 Nutrição e Proteção
|
| |
| Amin'ny herinandro voalohany,
ny cellules avy eo amin'ny
masse de cellule intérieure
dia manome sosona roa atao hoe
hypoblaste
sy épiblaste.
Ny hypoblaste no mitohy ka manome
ny chorion,
izay iray amin'ireo fomba
hanomezan'ny reny sakafo
an'ilay embryon vao miforona.
Ny cellules avy eo amin'ny épiblaste dia manome
hoditra manify atao hoe amnios,
ao anatin'io ilay embryon
dia avy eo ilay foetus
no mitombo mandra-piterahana.
|
Capítulo 9 2 a 4 Semanas: Camadas Germinativas e Formação de Órgãos
|
| |
| Rehefa afaka 2 1/2 herinandro eo ho eo,
dia indro ny épiblaste fa manome
nofo manokana 3,
na sosona mitsimoka,
atao hoe ectoderme,
endoderme,
ary mésoderme.
Ny ectoderme dia manome
rafitra maro
ao anatin'izany ny atidoha,
ny tadin'ny hazon-damosina,
ny ozatra maro,
ny hoditra,
ny hohon-tongotra na tanana,
ary ny volo.
Ny endoderme dia manome ny sosona ao
amin'ny fomba iainana (système respiratoire)
ary ny faritry ny fandevonan-kanina,
ary dia manome ampahany amin'ireo
organes lehibe indrindra
toy ny aty
sy ny pancréas.
Ny mésoderme no mamboatra ny fo,
ny reins,
ny taolana,
ny cartilage,
ny ozatra,
ny cellules-ny rà,
ary koa rafitra hafa.
|
| Amin'ny herinandro faha-3
dia mizara ho fizarana lehibe 3
ny atidoha
atao hoe prosencéphale,
mésencéphale,
ary hindbrain.
Ny système respiratoire sy digestif koa
dia efa mivoatra.
|
| Raha vao manomboka miseho ao
amin'ny chorion
ny cellules-ndrà voalohany,
dia manomboka maka endrika
ny lalan-drà
manerana ny embryon,
ary mipoitra ny tubular heart.
Avy hatrany
ilay fo izay mitombo haingana
dia miara-miorona
ary manomboka miforona
ny efitra tokan'ny fo.
Manomboka mitempo ny fo
3 herinandro sy 1 andro
aorian'ny fampiraisana.
Ny système circulatoire no système
voalohany amin'ny vatana,
na antokona organes mihavana,
izay mamita ny asany.
|
Capítulo 10 3 a 4 Semanas: O Dobramento do Embrião
|
| |
| Anelanelany herinandro 3 sy 4,
dia efa mipoitra ny tarehin'ny vatana
satria ny atidoha,
ny tadin'ny hazon-damosina,
ary ny fo-n'ilay embryon
dia efa azo hamarinina fa hita mazava.
manaraka ny chorion.
Ny fitomboana malaky dia mampiforitra
ilay embryon izay fisaka.
Io ambaratonga io dia mandray
ampahan'ilay chorion
ao anatin'ilay soson'ny
système digestif
ary manome ny tratra
ary ny cavités abdominales
n'ilay zaza vao miforona.
|